TSELATRA

Lehilahy tratra namaky trano teny Fenoa­rivo, distrikan’Atsimondrano, afakomaly. Sarona teny aminy ny entana avy nangalariny, toy ny fitaovana fanamafisam-peo. Natao famotorana, nilaza ho avy eny Namon­tana ity lehilahy ity, saingy nisa­fidy hanao ny asa ratsiny teny Fenoarivo.
Notanana am-ponja, omaly, ilay lehilahy nahatrarana vola sandoka an-tapitrisany tao amin’ ny kaominina Ankadinondry. Nokasainy haparitaka tao an-toerana, tamin’ny alalan’ny fanakalozana ireo vola ireo. 10 000 ho takalon’ny vola sandoka 20 000Ar.
Olona 18 nikasa hiondrana antsokosoko sarona tao Nosy Be Hell-Ville, afakomaly. Voa­sakan’ny mpitandro filaminana tao Ankazoberavina ny sambokely nitatitra ireo olona ireo. Nentina niverina nihazo an’i Nosy Be avokoa izy ireo.
Lehilahy nitaingina bisikileta voadonan’ny fiara tao Mangarivotra Toamasina, ny alin’ny talata 15 septambra teo. Nentina namonjy toeram-pitsaboana ilay lasibatra. Mirongatra tato ho ato ny lozam-pifamoivoi­zana vokatry ny tsy fitandreman’ ireo mpampiasa lalana.

Partager sur: