Mahazo aina kely : niisa 132.000 ny mpizahatany ny taona 2022

Tsy tena tafarina ! Tsy nandroso mihitsy ny fizahantany teto Madagasikara nandritra ny roa taona nisian’ny Covid-19, ny taona 2020 sy ny 2021. Niarina tsikelikely izany ny taona 2022 teo, satria nahatratra 132.018. Zara raha nisy 87.100 ny mpizahatany ny taona 2020, fotoana na­nombohan’ny Covid. Anisan’ ny antony tsy nahatonga azy ireo ny fikatonan’ny sisin-tany, sady teo koa ny sakana ara-pahasalamana, tsy nahafahana nivezivezy. Raha ny vinan’ny minisiteran’ny Fiza­hantany, ho 300.000 ny mpizahatany tombanana ho avy aty Madagasikara amin’ity taona 2023 ity.

16% amin’ny PIB
Tsy mety tafapetraka ara­ka ny tokony ho izy ny lanjan’ ny fizahantany eto Madagasi­kara. Nanodidina ny 300.000 ny nitsidika taty amintsika ny taona 2008, saingy nitotongana raha vao tonga ny krizy politika 2009. Niarina tsikelikely indray izany taty aoriana, kanefa nisy indray ny krizy ara-pahasalamana Covid-19 ny taona 2020 sy ny 2021.
Mahatratra 16,1% ny anjara entin’ny fizahantany amin’ny harinkarena faobe (PIB) eto Madagasikara, raha 6% izany tamin’ny taona 2000. Ma­nodidina ny 6,83% ny fitombony isan-taona. Anisan’ny tena mampitombo ny mpizahatany ny fisian’ireny sambo vaventy mpitety firenena ireny.

Njaka

Partager sur: