GFEM: Manana faharetana ny vehivavy mpandraharaha

Mitohy ny fankalazan’ny Vondron’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara (GFEM) ny faha-10 taona nijoroany. Efa natombony tamin’ny hetsika teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny marsa 2026, ny fankalazana. Mana­tanteraka kongresy nasionaly indray ny fikambanana, anio 17 sy rahampitso 18 septambra, etsy amin’ny hotely Delta Antananarivo. Anisan’ny mpanohana ity kongresy ity ny Airtel, sady vehivavy rahateo ny tale jeneraliny.
Niorina ny 2016, ahitana mpikambana manodidina ny 200, avy amin’ny orinasa maherin’ny 450 ny vondrona. Namba­ran’ny filoha nasionalin’ny GFEM, Razakaboana Fanja, fa tanjona amin’ity kongresy voalohany ity ny hanamafisana ny firaisankina, indrindra amin’ireo mpikambana avy any amin’ny faritra. Ho azy, manana fahaiza-mitarika matotra, faharetana ny vehivavy mpandraharaha. Matotra ary voaporofo eny anivon’ireny banky na sampandraharaha ara-bola madinika ireny izany. Mahatafaverina ara-potoana ny findramam-bola nataony.
Hatao amin’io Kongresy io koa ny fanamafisana ny fahaiza-manao, ny fiatrehana ireny vanim-potoana ahitana varotra fampirantiana ireny. Mpikambana ao anatin’ny Vondrona mpandraharaha eto Madagasikara (Gem) ny GFEM, sy amin’ireo tambajotra aty Afrika sy iraisam-pirenena.

Njaka A.

Partager sur: