Ambony ny ambana amin’ny afo any amin’ny faritra miisa 10 (Androy, Anosy, Atsimo Andrefana, Betsiboka, Boeny, Diana, Matsiatra Ambony, Melaky, Menabe, Sofia). Izany hoe, ireo faritra any amin’ny tapany avaratra, andrefana, atsimo ary ny afovoany atsimo no ahitana izany. Milamina kosa amin’ny ankapobeny ny atsinanana sy ampahany amin’ny atsimo andrefana.
Mitohy ny fikojakojana ny lalam-pirenena RN7. Voakasik’izany ny lalana mirefy 9 km, eo amin’ny PK 250 hatramin’ny PK 259, ao an-tampon-tanànan’Ambositra. Efa tontosa ny fanomanana mialoha. Natao teny an-toerana ny fandaminana sy ny fanomanana ilaina, niarahana tamin’ny orinasa manatanteraka ny asa.
Miompana amin’ny fiomanana sy ny fiatrehana ny loza voajanahary ny tetikasa « Repair ». Firenena dimy aty Afrika (Madagasikara, Zambia, Malawi, Burundi, Seychelles) no misitraka ny famatsiam-bola avy aminy. Natao eto Antananarivo ny fifampizarana traikefa sy ny fomba fanao mahomby amin’ny fanatanterahana azy. Eo koa ny famolavolana tondrozotra avy amin’ireo angon-kevitra handrindrana ny fomba fiasa.




