Maty voatifitry ny zandary, omaly maraina, Ra-Tantely, jiolahy raindahiny saika hanafika sy nanakorontana teny Ampitatafika. Mpanafika ikoizana sy mpamerin-keloka izy. Efa nanafika Cash point sy nahafaty olona iray teny an-toerana, ny taona 2023.
Jiolahy iray antsoina hoe Ra-Tantely indray no lavon’ny balan’ny zandary, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 4 ora sy fahefany, tetsy amin’ny fokontany Avaratetezana, kaominina Ampitatafika. Nikasa hanafika sy nanakorontana teny amin’ny tokantrano iray teny an-toerana izy. Nahita izany ny mponina, nampandre ny zandary niasa avy amin’ny zana-tobim-paritra. Nidina ifotony nijery ny zava-misy ny avy ao Ampitatafika sy teny Fenoarivo. Nandositra ilay olon-dratsy vantany vao nahatazana ny mpitandro filaminana. Nasaina nijanona siangy niezaka nandositra tao anaty haizina ihany. Voatery nampiasa basy teny aminy ny zandary. Vokany, voatifitra izy, naratra mafy. Nentina namonjy hopitaly, tsy tana teny an-dalana ny ainy. Naterina ao amin’ny tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha ny razana taorian’izay.
Nahitana antsy iray, lamba mena sy tavoahangikely misy ranon-javatra tsy fantatra teny aminy rehefa nosavain’ny mpitandro filaminana. Marihina fa mitety toerana maro ity olon-dratsy voatifitra ity rehefa manao ny asa ratsiny. Anisan’izany ny teny Ampitatafika, Ankaditany, Andrefambohitra, Avaratetezana, Antanimenakely, Ambohitsaratelo, Anosizato sy ny manodidina.
Nahafaty olona
Nanomboka nokarohin’ny mpitandro filaminana izy ny taona 2023, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny zandarimaria miasa eny amin’ny zana-tobim-paritra Ampitatafika. Antony, tamin’izany, ny asa fanendahana sy famonoana olona mpanao Cash point teny amin’ ny kaominina Ampitatafika. Ankoatra ny tranga namoizana ain’olona, olona iray hafa koa naratra vokatr’izany asa ratsy nataony izany. Voarobany ny vola maromaro teny amin’ilay mpitazona Cash point lasibatra.
Eny Tsiafahy
Taorian’ny fikarohana sy ny fanadihadiana nataon’ny zandary momba ny raharaha nanenjehana ity jiolahy ity, efa voasambotra ny namany iray ka naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy. Mbola mitohy hatrany ny ady amin’ny asan-jiolahy ary mangataka ny fanampian’ireo tsara sitrapo amin’ny fifanomezam-baovao ny mpitandro filaminana.
Mino




