Maromaro ny seho hotontosain’ny Mahaleo taranaka miaraka amin’i Bekoto sy i Dama any Eoropa. Hisantatra izany ny any Belgique, ny 3 oktobra izao. Hitohy any Italie, Allemagne ary France izay izany hanehoana seho maromaro.
Hotontosaina anio ny seho famaranana mozika klasika eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Hifandimby an-tsehatra amin’izany ireo tarika samy mpilalao zavamameno misy tadidy, ny Quator Squad avy eto Madagasikara sy Lanner Ensemble avy any Allemagne.
Mpiara-miasa akaiky ny Omda sy ny brigady manokana misahana ny ady amin’ny piraty na ny BAP. Nisy ny fanamafisam-pahalalana tamin’ireo mpikambana vaovao ao amin’ny BAP, mahakasika ny lalàna mifehy ny zon’ny mpamorona, omaly, teny amin’ ny foiben’ny Omda Faravohitra. Notohizana tamin’ny fifanakalozan-kevitra hametrahana tetikady matipaika izany.
« Sarimiantsa ». Antsa tononkalo izay hotontosain’ireo mpilalao sarimihetsika sady poeta, mpikambana ao amin’ny faribolana Sandratra izy ity. Hatao rahampitso 19 septambra izany, manomboka amin’ny 3 ora, etsy amin’ny CGM Analakely.




