Nantsoina hanatevina ny Barea i Zacharie Boucher, mpiandry harato, saingy nanda ny taona 2018. Valo taona aty aoriana, nanaiky ny handrafitra ny ekipa nasionaly malagasy izy rehefa nantsoin’i Corentin Martins, mpanazatra.
Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly ny mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy, na ny Barea. Toy ny mahazatra, tamin’ny alalan’ny pejin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) no namoahan’i Corentin Martins, mpanazatra, ny anaran’ireo mpilalao 25 hiatrika ny fifanintsanana Can 2027.
Misy mpilalao vaovao roa, manatevina ny Barea : Roman Ferber, lohalaharan’ny FC Atert D1 Luxembourg sy i Zacharie Boucher, mpiandry haraton’ny Estac Troyes, D1 atsy France.
Maro tamin’ny mpankafy sy mpilalao fahiny no taitra sy gaga raha nahita an’ity mpiandry harato vaovao ity, anatin’ny lisitrin’ny ekipa nasionaly Barea. Anisan’izany i Voavy Paulin, mpilalao Barea teo aloha, izay nilaza fa tsy mendrika azy ny hisalotra ny lokon’ny ekipam-pirenena Malagasy.
Efa nanda
Tsiahivina fa ny taona 2018, efa nantsoin’i Nicolas Dupuis, teknisianina frantsay nitondra ny ekipam-pirenena malagasy, i Zacharie Boucher, saingy nandà ary nanamafy fa frantsay ny tenany.
«Izaho dia Frantsay, tsy mbola Malagasy mihitsy aho…. Tsy Malagasy aho”. Sombisombi-teniny nalaina tao amin’ny gazety frantsay L’Equipe, ny 31 oktobra 2018. Nanamafy mihitsy ary ity gazety vahiny ity, fa naniry ny ho lasa mpiandry tsatoby an’ny ekipa nasionaly frantsay les Bleus, ny tenany tamin’izany fotoana izany.
Ankoatra izay, nantsoina hiverina anaty lisitra i Nina, Malagasy mpiandry tsatoby, ary misy mpilalao telo avy eto an-toerana, ao anatin’izany : i Bono sy Rado, Disciples FC ary i Tony, Elgeco Plus. Marihina fa ny 25 septambra ho avy izao, any Nigeria, hihaona amin’ny Super Eagles Nigeria ny Barean’i Madagasikara. Ny 29 septambra kosa, any Maroc, hanaovana ny lalaon’i Madagasikara sy Tanzanie.
F.R




