Anjozorobe : Ramatoa hita faty tao an-tranony

Natory tsy nifoha! Namoy ny ainy ny renim-pianakaviana iray nonina tao Foharamanana, fokontany Ambohibeloma, kaominina Anjozorobe, omaly maraina. Mpiara-monina no nahita ny vatan’ity ramatoa ity tsy nisy aina intsony teo ambony fandriany. Naharay fampahafantarana ny mpitandro filaminana momba ny tranga fahitana fatin’olona. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy niaraka tamin’ny tomponandraikitra eo anivon’ny fokontany ao an-toerana izy ireo. Nihohoka teo amin’ny fandriana natoriany ilay ramatoa. Mananika ny faha-42 taona izy. « Mitaiza irery ireo zanany miisa telo io ramatoa io satria efa maty vady », araka ny loharanom-baovao avy amin’ny zandary. Tsy nisy nahare na nahita ny fomba nahafaty azy ireo mpiray tanàna aminy. Nentina natao fitsirihana teny anivon’ny CHRD Anjozorobe ny nofo mangatsiaka an’ity ramatoa hita faty ity. Fahafatesana voajanahary no nahafaty an’ilay ramatoa, araka ny fanamafisan’ny mpitsabo izay nanao ny fizahana ny razana.

Tsiferana R.

Partager sur: