Aretina hafahafa : Tsy ampy ny mpitsabo, 45 ny namoy ny ainy

Tafakatra 45 ireo olona namoy ny ainy vokatry ny trangan’aretina hafahafa any amin’ny kaominina telo, any amin’ny disitrikan’Ifanadiana, raha ny tatitra navoakan’ny depiote voafidy tany an-toerana, omaly. Anisan’ny ahitana izany, ny ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ampasi­nam­bo sy Fasitsara ary Maroha­ratra. Misy namoy zanaka telo sy efatra ny ray aman-dreny iray. Raha ho an’ny fokontany iray, ao anatin’ny kaominina Fasitsara manokana, mahatratra 60 ireo marary ary 18 ireo maty. Ho an’ny kaominina Ampasinambo, 23 ireo namoy ny ainy. Maty tany amin’ny hopitaly ny enina raha maty tany an-trano ny 17 ambiny. Iray kosa no maty tao amin’ny kaominina Maroharatra. « Man­dripaka zaza madinika, latsaky ny 16 taona, ity trangan’aretina hafahafa ity. Misy ihany ny olon-dehibe fa ny zaza no tena lasibatra », hoy ny depiote voafidy tany amin’ny distrikan’Ifanadiana, Ma­nan­tena Hajanirina Dinah. Nambarany fa olana goavana any an-toerana ny tsy fisian’ny fanafody sy ny tsy fahampian’ny mpitsabo miasa any an-toerana. Tsy mbola voafaritra ma-zava ny tena fisehon’ny aretina, fa mena-maso sady reraka be ireo ankizy marary. Taorian’ny antso avo nataon’ity solombavambahoaka ity, afakomaly. Nidina tany ifotony, ny avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka, niaraka tamin’ny depiote mivady. Nijery ny zava-misy sy nitondra fanampiana ary fanafody ho an’ireo marary izy ireo. Efa nahitana io trangan’aretina io tao anatin’ny telo volana ary mbola tsy fongotra hatramin’izao, raha ny fanazavana voaray hatrany. Ankoatra io trangan’aretina hafahafa io, ahitana tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ihany koa any an-toerana, raha ny fanazavan’ny depiote hatrany.

Mino

Partager sur: