TSELATRA

Naharenesana poa-basy intelo tetsy Ambalavao Isotry, 15 km miala ny biraom-pokontany Ampefiloha, afakomaly, tamin’ny 6 ora latsaka fahefany. Notafihin’ny jiolahy miisa telo teny an-dalana ny lehilahy mpamongady iray. Nianjera tamin’ny tany ilay lasibatra sady notifirin’ireo jiolahy tamin’ny basy. Voaroba ny vola iray sakaosy teny aminy. Efa manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly izy taorian’ny tranga.

Naato tamin’ny asany ny mpanampy mpamilin’ny taxi-be zotra D iray, mampitohy an’Ivato sy 67 Ha, afakomaly. Nanompa mpandeha iray tao anatin’ilay fiara izy. Anton’ny fifamaliana ny filazan’ny resevera fa tsy mandeha Ivato ny fiara. Nitaky ny hamerenana ny saran-dalany ilay ramatoa, saingy narahiny ompa sy teny ratsy. Nanao fitaraina ilay mpandeha lasibatra ka nanapa-kevitra ny hampiato ity farany amin’ny asany ny tomponandraikitra.

Voasambotry ny polisy teny Ivandry ny lehilahy iray nanakorontana teny an-toerana, ny alin’ny 12 septambra 2026, tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany. Mamo sady nitondra zava-mahadomelina mahery vaika antsoina hoe “extasy”, fanafody miloko mavo teny aminy izy. Nentina tao amin’ny kaomisaria Analamahitsy ity lehilahy ity miatrika famotorana.

Voasambotry ny polisim-pirenena, ny olona miisa sivy voarohirohy tamin’ny fakana an-keriny zaza varira tany Taolagnaro, ny alahady 13 septambra lasa teo. Namoy ny ainy taorian’ny fifandonana ny iray. Mbola misy iray hafa maratra ihany koa manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly Philbert Tsiranana Amboanato amin’izao. Voarohirohy tamin’ny fivarotana voamason’olona manana toe-tena varira, izy ireo.

Partager sur: