Natomboka tamin’ny fotoam-pivavahana, omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena, ny tsingerin-taonan’ny tolona 2025. Misara-kevitra momba izany anefa ireo tanora mpitolona.
«Izahay filohan’ny mpianatra avy eny Vontovorona sy Ankatso, angady nananana sy vy nahitana ny tolona tamin’ny 25 septambra 2025 dia mahatsiaro tena sy matahotra». Io ny nambaran’ny solontenan’ny mpianatry ny oniversite Vontovorona sy Ankatso, omaly, manoloana ny hetsi-pahatsiarovana ny tsingerin-taonan’ny tolona 2025, natomboka tamin’ny fotoam-pivavahana teny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena, Mahamasina. Sao lasa fitaovana fakana olona sy fakana vola fotsiny no atao mandritra ny fikarakarana ny tsiahin’ny tolona 25 septambra 2025 amin’izao. Tsotra ny antony: tafiditra ao anatin’ny komity mpikarakara ry zareo, nefa tsy misy inona fantany izay vaovao sy ny fitantanana ara-pitaovana na ara-bola ao anatin’izay. Manana porofo amin’ny ahiahiny ry zareo. Tsy miaraka amin’ny fikarakarana izy ireo hatramin’izao. Na izany aza, hetsika manokana ho an-dry zareo mpisehatra fototra tamin’ny 25 septambra 2025 ny tanoran’Ankatso sy Vontovorona.
Etsy andaniny, nilaza kosa ny eo anivon’ny fikambanana Tsy manaiky lembenana, tarihin-dRakotoarisoa Alban sy Raharinirina Clémence ary Rafalarahy Lily, fa azo lazaina fa nahomby ary tratra ny tanjona amin’ny tolona natao tamin’ny taon-dasa. Na izany aza, mbola mila vahana eto amin’ny tany sy ny fanjakana ny lalàna mifehy ny fifidianana, tokony ho haingana sy tsaratsara kokoa amin’ny fikaonandoham-pirenena. Tanan’izy ireo hatrany ny hoe: tsy tokony hirotsa-kofidina amin’ny fifidianana rehetra eto amin’ny firenena izay mizaka zom-pirenena hafa ankoatra ny Malagasy. Lasa misabaka izay olona izay rehefa misy tombontsoa mifanipaka eo amin’ny firenena roa tonta. Efa misy antoko politika mivoy an’izay…
R. Nd.




