Toe-draharaham-pirenena: Manomboka velon’ahiahy ireo Gen Z

Manomboka maneho hevitra sy miseho indray ireo tanora amin’izao faherintaon’ny 25 septambra izao. Tsy azoazon’izy ireo ny zava-mitranga sasany eto amin’ny firenena. Anisan’ny naneho hevitra ny eo anivon’ny Fikambanan’ny tanora any Fianarantsoa, tamin’ny alalan’ny filohany, Bekamisy Theodore. Nohitsi­ny fa tena tokony havahana ny vary amin’ny tsiparifary amin’ireo akaiky na ireo mila ranondranony amin’ny Filo­ham-panjakana. « Anisan’ny tena fanavaozana sy ahafahantsika mandroso ny fijerena ny momba izany », hoy izy.
Etsy andaniny, mitaky ny hanajana ny fahalalahana maneho hevitra ireo Gen Z. Takin’izy ireo koa ny fisarahan’ny fahefana. Nahitsy izy ireo nilaza fa manjavozavo ny tondrozotra itantanana ny firenena. Anisan’izany ny tsy mbola firosoana amin’ny fikaonandoham-pirenena. Tsy levon’ny vavon’ireo Gen Z koa ny mbola fitohizan’ny fomba ratsy fanaon’ny teo aloha. « Fano­vana rafitra fa tsy fanoloana olona no notakiana. Tsy ho lasa lavitra ny fanorenana ifotony raha tsy misy ny fahalalahana miteny », hoy ny solontenan’ny Gen Z. Nandranga­ran­ga ny hanao fanambarana tsy ho ela ireto tanora ireto amin’ny fanohizana ny fitakiana. Eo koa ny tokony ho anjaran’izy ireo amin’ny dingana fanavaozana sy ny fanarenana ny firenena.

Synèse R.

Partager sur: