Atsimo Andrefana : Nizarana jiro ny tokantrano miisa 70 000

Nizarana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny mponina any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Mazava » izany.

Faritra midadasika indrindra eto Madagasikara ny ao Atsimo Andrefana. Ambany dia ambany ihany ny tahan’ny fisitrahan’ny mponina sy ny tokantrano herinaratra. Izay no anisan’ny antony nanaovana ny tetikasa “Ma­zava”. Natomboka tany amin’ny kaominina Vatolatsaka, distrika Betioky Atsimo ny fizarana kojakoja jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa, miaraka amin’ny Lead sy ny Decim ity hetsika ity. Miisa 70 057 ny tokantrano hisitraka ny tetikasa ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana.
Tanjona ny hanamorana ny fahazoana angovo azo havaozina, sady hanatsarana ny fari-piainan’ny mponina, indrindra ireo any amin’ny faritra lavitra sy mbola voafetra ny fisitrahana herinaratra. Izany hoe, tsinjovina manokana ny toerana tsy tongan’ny tambajotran’ny Jirama. Hi­hena, araka izany, ny fandanian’ny isan-tokatrano sy ny fahasahiranana amin’ny fividianana solitany, ohatra.
Vahaolana

Ezaka ataon’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo, amin’ny fampiakarana ny tahan’ny vahoaka misitraka herinaratra. Mamatsy vola ny tetikasa Lead sy ny Decim ny Banky iraisam-pirenena. Mitotaly 73 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola ho an’ireo tetikasa roa ireo, mikendry ny fanomezana vahaolana amin’ny sehatry ny herinaratra ho an’ireo toerana tsy misy tambajotran’ny Jirama.

Njaka A.

Partager sur: