TSELATRA

Lehilahy iray tokony ho 50 taona, nitsambikina tao anatin’ny ranon’Ikopa Tanjombato, afakomaly maraina. Hitan’ny olona nilatsaka tao izy, ary ora vitsy taorian’izay dia efa nitsingevana ny vatana mangatsiakany. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ity raim-pianakaviana namono tena ity. Nalain’ny havany teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha ny razana, omaly maraina. Nentina nihazo ny tanindrazany any Ambositra.
Tovolahy 14 taona maty an-drano tao amin’ny ranon’i Sahatsio Est Ambohimahazo, omaly tolakandro. Nandeha nilomano izy sy ny namany, miisa dimy, saingy nilentika. Natao ny fanavotana azy rehetra nefa maty sempotra tao anaty rano ity farany. Nisy lehilahy efa nilaza azy ireo mialoha fa tsy maintsy hisy ho faty ny iray amin’izy ireo. Tsy taitra anefa ireto ankizy ireto fa nilomano ihany ary izao niafara tamin’ny fahafatesana izao.
Lehilahy iray tratran’ny olona nanendaka tetsy amin’ny Cité 67 Ha, afakomaly hariva, tamin’ny 7 ora sy sasany. Nifanenjehan’ny fokonolona ny tenany ary azo sambo-belona. Tapaka ny jiro ka nanaraotra nanao ny asa ratsiny ity farany. Efa naterina any amin’ny mpitandro filaminana izy taorian’izay.
Avotry ny polisy ny zaza varira 2 taona, nokasain’ireo jiolahy alaina an-keriny tany Ankiloaky Toliara. Voasambotra ireo olona miisa dimy nanao ny asa ratsy. Nahitana ody gasy sy fitaovam-piadiana teny amin’ny ireo olona ireo tamin’ny fotoana nahatrarana azy rehetra. Eo ambany fiambenan’ny Polisim-pirenena sy ny fiarovan’ireo tomponandraikitra amin’izao fotoana izao ilay zaza. Mitohy ny fanadihadiana, alohan’ny hanolorana ireo voasambotra eo anivon’ny Fitsarana.

Partager sur: