Ben’ny Tanàna tsy miankina : Nivondrona ao anatin’ny FBF, manohana ny Fanavaozana

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, afakomaly, teny Ambohitsorohitra ny Fikambanan’ny ben’ny Tanàna ho an’ny Fanavaozana na FBF. Voafidy ho filoha amin’izany Randrianamboarina Jean Pierre, ben’ny Tanànan’Ambatomarina, distrikan’i Manandriana.

Malalaka ny safidy ho an’ny ben’ny Tanàna. Nanangana ny Fi­kambanan’ny ben’ny Tanàna ho an’ny Fanavaozana na FBF ireo lany tamin’ny lisitra tsy miankina. Voafidy hitarika izany ny ben’ny Tanàn’Amba­tomarina, distrikan’i Ma­nan­driana, Randrianamboarina Jean Pierre. Nampahafatarina tamin’ny fomba ofisialy teny Ambohitsorohitra ny fikambanana, afakomaly. Nisy ny fifampizarana tamin’ny mpanao gazety, nilazana ny zotra arahin’izy ireo. “Tsy mivaona amin’ny fitondrana Fanavao­zana ny fikambanana. Natao indrindra ho fanajana ny safidy politikan’ny rehetra. Tan­jona ny hialana amin’ny tsindry isan-karazany mba tena hiantoka ny fampandrosoana ny any ifotony”, hoy ny fifampizarana nataon’ny filohany.
Nohamafisin’ny FBF ihany koa fa resy lahatra amin’ny fitakian’ny Gen Z hatrizay izy ireo amin’ny fanavaozana tena izy, ka nisafidy ny hanohana.

Miaraka amin’ny tanora
“Mitovy ny tadin-dokanga, mitovy ny fomba fijery, aleo miara-miasa. Vonona izahay amin’ny zava-dehetra, ahafahan’izao fitondrana izao manatanteraka ny asa antsakany sy andavany. Vonona ny hitondra ny anjara birikinay izahay. Tsy miala amin’ny zotra napetraka tamin’ny fotoana nanaovan’ny vahoaka malagasy fitakiana. Anisan’ny efa nandray anjara betsaka tamin’ny tolona izahay tamin’ny taon-dasa, indrindra ny ben’ny Tanàna tanora”, hoy hatrany izy ireo nanamafy ny fanambarana.
Marihina, ny FBF dia sampana iray natsangana ao anatin’ny Vovonana Tantana. Natao indrindra hiarovana ny ben’ny Tanàna amin’ireo karazana tsindry mianjady amin’izy ireo eny ifotony. “Manao antso avo amin’ny ben’ny Tanàna tsy miankina rehetra izahay, na ireo manana loko politika vonona ny hanatevin-daharana fa misokatra ny varavarana”, hoy ny mpitarika namarana ny fanambarana.

Claude Eric

Partager sur: