FANTINA sy FINTINA

Ho ampahafantarina rahampitso eny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny Vovonana Tantana, sampana Antananarivo, izay naorin’ireo tanora mpitarika ho an’ny Fanavaozana. Hisy ny fifampizarana ny Vina sy ny drafitrasa ho enti-miasa. Mandritra ny fotoana ihany koa no hampahafantarina ny birao mpitantana sy ny mpandrindra isam-paritra.

Noraisin’ny filohan’ny Fanavaozana, teny  Iavoloha,  omaly,  ireo olona very asa teny amin’ny Fasan’ny Karana. Nihaino ny fangatahana sy ny fitarainan’izy ireo ny filoha ary nanambara fa hitady hevitra hamahana izany. Fotoana ihany koa izao, hoy izy, hampanarahana fenitra ny asa tokony ho azo eny amin’ny tobim-piantsonana vaovao,  eny Amoronakona.

Nanamafy ny Vovonana Miaro ny Fanovana fa ilaina ny fanaovana fifanarahana politika, manoloana ny raharaham-pirenena misy eto amin’ny firenena. Manainga ny mpanao politika sy ny vondrona politika ihany koa izy ireo mba hanaraka ny lalàna efa napetraka dia ny fanatanterahana ireo dinika ho fiatrehana ny repoblika vaovao.

Nanatanteraka fitsidiham-paritra tany Taolag­naro ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc, ny faran’ny herinandro teo. Nanamafy hatrany ny maha zava-dehibe ny fisoratana anarana anaty lisi-pifidianana izy ary tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanany mandritra ny fihaonany mivantana amin’ireo mponina ny fanentanana azy ireo hanoratra anarana anaty lisi-pifidianana.

Partager sur: