Manana taratasy fahazoan-dalana hitrandraka volamena ny orinasa APC Mining. Nanao fifanarahana fiaraha-miasa amin’ny orinasa sinoa iray izy, mitrandraka volamena any amin’ny distrika Tsaratanàna. Izay no mahatonga ireo teratany sinoa mitrandraka any an-toerana, ankehitriny. Araka ny lalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon’ny tany, tsy maintsy mifanaraka amin’ny kaominina izy ireo amin’ny fanaovana asa sosialy (RSE). Mandoa ny tamberim-bidy ihany koa arakaraka ny volamena vokarina, sady mameno ny bokibe firaiketana ny vokatra azo isan’andro.
Nampiofana ireo teknisianin’ny minisiteran’ny Asa vaventy ny orinasa Alpha Ciment. Nifantoka tamin’ ny fampahafantarana ny Alpha Ciment ny fiofanana. Toy ny simenitra vokariny, ny fenitra sy ny fepetra takin’ny kalitao, ny teknika fampiasana ny simenitra amin’ny asa vaventy. Miara-miasa amin’ireo antokon-draharaha hafa ihany koa ity orinasa ity, toy ny Laboratoara nasionaly misahana ny asa vaventy sy ny fanorenana (LNTPB).
Mahatratra 1 500 metatra ny halavan’ny aroafo natao tany Antsohihy, fokontany Ambalasakoana, kaominina Ambodimadiro. Mirefy 10 kosa ny sakany, entina hisorohana ny fiparitahan’ny afo raha sendra misy ny doro ala na doro tanety. Nandray anjara tamin’ny fanatanterahana ity asa ity ny fikambanana eo ambany fiahian’ny OSDRM-Aga Khan Foundation, niaraka tamin’ny Vondrona olona ifotony (VOI). Niahy azy ny fitantanam-paritry ny tontolo iainana (Dredd) Sofia.




