Fitsarana ny fifidianana : Mitaky fomba fitoriana tsotra ireo ben’ny Tanàna

Anisan’ny tolokevitr’ireo ben’ny Tanàna, natolotra teny Iavoloha ny momba ny fitsarana sy fitarainana eo anivon’ny HCC. Tokony ho antoka iray lehibe amin’ny demokrasia ny zo hanao fitarainana. Navoi­tran’ireo ben’ny Tanàna amin’izany tolokevitra ho fanatsarana ny fifidianana izany ny fitsipika momba ny fitoriana eo anivon’ny HCC. « Tokony ha­zava tsara ny antony ara-dalàna rehefa lazaina fa tsy azo raisina ny fitarainana iray », hoy izy ireo. Tafiditra ao anatin’izany ny fomba fitoriana tsotra kokoa, raha azo atao ara-dalàna; ny torolalana mazava ho an’ireo kandidà; ny fe-potoana ahafahana manangona sy manolotra porofo; ny fanapahan-kevitra misy fanazavana ampy ary ny fahafahana mahazo ireo vaovao ilaina amin’ny fampiharana ny zo hanao fitarainana.
Etsy andaniny, anisan’ny tolokevitr’ireo ben’ny Tanàna koa ny hampandraisana anjara bebe kokoa ny ben’ny Tanàna. Anisan’izany ny fanaraha-maso ny fizotry ny fifidianana eny anivon’ny kaominina ny ben’ny Tanàna. Ao anaty tsy fiandaniana sy ny fitovian’ny kandidà rehetra anefa izany. « Tokony hazava tsara ny andraikitry ny tsirairay : ny eo anivon’ny kaominina, ny fitondram-panjakana ; ny Ce­ni ; ny mpilatsaka hofidiana », hoy ihany ireto ben’ny Tanàna ireto.
Mazava ny an’ireto olom-boafidy eny ifotony ireto fa tokony ho azo amin’ny alalan’ny vato sy ny fitokisan’ny vahoaka ny fahefana. Ao anatin’ny fanajana ny lalàna, ny demokrasia ary ny sitrapon’ny vahoaka anefa izany, araka ny tolokevitr’izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: