Taorian’ny kiana sy fanehoan-kevitra isan-karazany, nalana tao anatin’ny lisitry ny Barea i Zacharie Boucher. Nitsipaka ny fanapahan-kevitry ny mpanazatra ny federasionina.
Nikoropaka ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) manoloana ny fanehoan-kevitry ny mpankafy baolina kitra. Ireto farany izay tsy mankasitraka ny fanendrena an’i Zacharie Boucher ho mpiandry tsatoby ny Barea. Vokany, nanapa-kevitra ny mpikambana fa atsahatra na lavina ny fanapahan-kevitry ny mpanazatra. Nisy ny fivoriana maika, notanterahina teny Isoraka.
Tsiahivina fa niteraka resabe tamin’ny tambajotran-tserasera ny fiantsoana azy. Mainka nandrehitra ny afo ny fanehoan-kevitry ny mpilalao fahiny, ny mpankafy, ary ny mpanao gazety vahiny. Ny federasionina ihany anefa no nanely ny filazana sy fampahafantarana tamin’ny fampiantsoana sy ny fampiatoana. Efa nandefasana dika amin’ny fampitsaharana ny mpanazatra i Corentin Martins.
Mitohy
Tsy mampiova ny fomba fijerin’ny mpanaraka ny taranja baolina kitra ny fanapahan-kevitra noraisin’ny FMF ity. Anisan’ny mizara ny heviny Andriantsima Faneva Ima, kapitenin’ny Barea teo aloha. Nambarany tao amin’ny tambajotran-tseraserany fa: «15 andro mialoha dia efa mahalala ny
lisitry ny mpilalao ny federasionina», hoy izy. Nomarihiny fa nety tsy nahalala ny tranga ankehitriny ny mpanazatra fa niniana nataon’ny federasionina ilay izy.
Misy ary ve tsindry ho an’ ny coach Corentin Martins amin’ny fiantsoana ny mpilalao, efatra andro mialoha ny hihaonana amin’ny Super Eagle’s Nigeria, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny CAN 2027? Heverina fa manana ny vato tsy azo ivalozana, ireo mpandrindra ny Barea, mipetraka any ivelany, mitily sy manolotra ireo mpilalao hanaovan’ny mpanazatra safidy.
Tsy mbola naneho ny heviny mahakasika ity raharaha mafana ity ny mpanazatra, Corentin Martins. Andrasana izay hasolo an’i Zacharie Boucher.
Tompondaka




