Mila mandini-tena

Tonga soa aman-tsara tany Mananjary ny Filoham-pirenena, nitondra vonjy ranovaky ho an’ny traboina. Zava-dehibe ho an’ny vahoaka madinika ny fahafoizan-tena sy fanakaikezana ny vahoaka eo ambany fiahiana. Velombolo ny mponina na tsy ahafapo sy hahavaly ny filàn’ny tsirairay aza ny fanampiana. Tsy azo tsinontsinoavina ny firaisam-po sy ny fiaraha-mizaka ny mavesatra amin’ny samy Malagasy.
Nanaitra sady nanohina ny fo ny fihazakazaky ny manam-pahefana isan-tsokajiny tonga tany Mananjary. Hamaroan’izay fiara tsy mataho-dalana sy fiara raitra re izao! Tsy mbola nahavory olona tahaka izany angamba ny vonjy voina ho an’ny mpiray tanindrazana. Tena angaredona ny fahatongavana. Be midina ara-bakiteny!
Somary sanganehana kely ihany anefa, manoloana izany. Sanatrian’ny vava ka hanao volo mpanoa randrana, fa kisary mandatsa ny mpiray tanindrazana anaty fahantrana lalina ny zava-nisy omaly. Taratry ny tsy fahafehezana ny fifandraisana amin’ny mpitondra sy ny vahoaka ny zava-miseho tahaka ireny. Tsy ampy ny fitrandrahana ny odidina misy sy iainan’ny olona any ifotony taorian’ny rivo-doza. Raha tokony samy mipitrapitra mampalahelo ny rehetra, toa nivadika “werawera” hampisehoan’ny mpanana fananana izany, hakana ny fon’ny filoham-pirenena.
Maty noana ny vahoaka, rava fananana kanefa ilay hantsana goavam-be eo amin’ny mpitondra sy ny entina no navoaka tamin’ny serasera nivoizana ilay fahatongavan’ny Filoha tany an-toerana. Mba tsy hilazana fa mpanankiana bontolo fotsiny ny famakafakana atao, dia handeha hatao hoe, vahiny hamonjy ny fihaonam-ben’ny zanak’i Fianarantsoa ao an-drenivohitry ny Faritra Matsiatra ambony izy ireo. Fihaonana izay tanterahana anio. Na izany aza anefa, tsy anatin’ny voina no tokony hisehosehoana.
Fehiny, mila mandinin-tena daholo ny mpitondra sy izay nomem-pahefana eto amin’ny tany sy ny firenena. Zava-dehibe ny fifehezana ny odidina, indrindra efa miditra anaty kajikajy politika avokoa izay hetsika atao. Vanim-potoan’ny fifidianana izao, hain’ny vahoaka madinika ny mandrefy ny mpitondra, amin’ny andro iray ahafahany manao izany. Tsy fihetsika kely tsy voahevitra, noho ny fitiavam-boninahitra no singam-bolo handavo ny vositra!

r.r

Partager sur: