Nifarana omaly, tany Abidjan, Côte d’Ivoire, ny andiany faha-22 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja handball, sokajy «cadet 2026». Farany vao nisy ventiny ny an’ny Akio. Izay vao nahazo fandresena raha niady ny laharana faha-13. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 37 no ho 24, ry zareo Zambianina. Fihaonana notanterahina ny alatsinainy teo, tao amin’ny Kianja mitafo Polyvalente.
Nilalao tsy nisy teritery intsony ny Akio. Mailaka ary nanatombo teo amin’ny teknikan’ny mpilalao teny ambony kianja raha mitaha amin-dry zareo Zambianina, izay mbola votsavotsa ny ankamaroany. Raha tsiahivina ny dian’ny Akio tamin’ity Can ity, izay tao amin’ny sokajy “B”. Resy intelo nanoloana an’i Tunisie sy i Algerie ary i Nigeria ary nitana ny laharana farany. Toy izany koa i Zambie tao amin’ny vondrona “D”. Lavon’i Guinée sy i Côte d’Ivoire ary i Burundi. Ry zareo Zambianina no gisitra tamin’ity, izay tsy nahazo fandresena mihitsy.
Tompondaka




