Nivoa-dra! Notsatotsatohan’ny zanany vavy antsy intelo ny renim-pianakaviana iray tamin’ny
fiandohan’ny herinandro, tao Toamasina. Nilaza ho nipetrahan-javatra hafahafa, naniraka azy hamono ny reniny, ilay nahavanon-doza.
Naratra mafy vokatry ny tsindron’antsy miisa telo natao azy ny renim-pianakaviana iray monina ao Analankininina, Toamasiana, tamin’ny alatsinainy maraina. Tompon’antoka ny zanany vavy vao 15 taona. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ity farany ho nanao izany fihetsika izany. Ny filazana natao dia milaza fa toa tsy tompon’ny tenany izy. Nohamafisiny tamin’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana fa: « Tsy izaho no nanindrona antsy azy. Misy hery hafa manosika ahy hanindrona antsy ny reniko », hoy izy.
Tsy nihanona tamin’ny fanambarana ny mpanao famotorana, nentina hanaovana fanadihadiana izy. Mbola hita tao an-trano rahateo ny antsibe nanindronany ny reniny. Efa nampiriminy tany anaty laromoara. Marihina fa mipetra-drery izy mianaka, miasa any Vavatenina ny raim-pianakaviana.
Niantso vonjy
Raha tsiahivina ny fandehan’ny raharaha, feo niantso vonjy vao maraina no nanaitra ny mponina manodidina tao amin’ny fokontany Analankininina, Hopitaly be, parisela 12/21-22 carreaux V, kaominina Toamasina. Nitrangana toe-javatra hafahafa tao amin’ ny tokantrano nisy azy mianaka. Tokony ho tamin’ny 4 ora maraina, nijery ny zava-nisy ny solontenan’ny fokonolona. Feno ra nandriaka tao an-trano. Nitaraina teo ambony fandriana izy. Voatrobatrobaka intelo, araka ny angom-baovao tao an-toerana. « Nifamonjena nentina teny anivon’ny hopitaly ilay renim-pianakaviana », hoy ny fanampim-baovao. Nanao izay ho afany hitsaboana azy ny mpitsabo. Arahi-maso akaiky ny fivoaran’ny fahasalamany hatramin’ny omaly izay nanoratana ny lahatsoratra.
Sajo/ Tsiferana R.




