Nialana nenina teny anivon’ny hopitaly, tsy tana ny ain’ny lehilahy iray voatsatoka antsy teny By-Pass, Alasora, ny alin’ny alatsinainy 21 septambra tamin’ny 8 ora sy sasany alina. Nitrangana savorovoro teo amin’ny andiana tanora niaraka nisotrosotro tao amin’ny toeram-panadiovana fiara teny an-toerana. Nampiasa zava-maranitra anefa ny iray tamin’ireo nifampikasi-tanana. Namoaka antsy izy ka nolerany avy hatrany ilay nifanandrina taminy. Nifamonjena avy hatrany ilay olona naratra. Nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana izy saingy tsy tana ny ainy, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny polisim-pirenena. Niroso tamin’ny fisamborana ny nahavanon-doza ny mpitandro filaminana. Sarona teny amin’ity lehilahy ity ny antsy nampiasainy sady nanaovany ny habibiana. Tsy afa-nanda intsony ny fiampangana azy ity farany. Nentina eo anatrehan’ny fampanoavana ary nohazonina vonjy maika any am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana azy. Mirongatra ny vono olona tato ho ato ary miseho amin’ny tranga maro samihafa. Maty vokatry ny tsatok’antsy sy tsy fiheverana kely foana ny ankamaroan’ireo lasibatra. Ilaina hatrany ny fitandremana hialana ny tranga tahaka ity tetsy Alasora ity. Ny tendrom-po tsy mba namana ka mety hiafara amin’ny fanaovana heloka bevava tahaka izao, hoy ny polisy.
Tsiferana R.




