TSELATRA

Tafakatra enina ireo voarohirohy tamin’ny famonoana an’i Finaritrasoa Valimbavaka, zazalahy 6 taona, tetsy Ambodizana, fokontany Tsarahonenana, kaominina ambanivohitra Fenoarivo, ny alatsinainy teo. Anisan’izany ny reny niteraka azy, ny raikeliny, ny anadahin- dreniny, ny anadahin-dreniny hafa, ny anabavin’ny raikeliny ary ny rahalahin’ny raikeliny. Ampangaina ho nanao herisetra tamin’ilay zaza izay niteraka fahafatesana izy ireo. Eo koa ny firaisana tsikombakomba tamin’ny famonoana sy fandevenana antsokosoko ilay zaza.
Tovolahy iray 17 taona hita faty teo ambony biriky nodorana, tany Sahatsio, Tsarafirasaina, omaly. Nahitana faritra may ny vatany, nandritra ny fizahana ny razana. Tombanana ho fahasemporana noho ny entona ratsy avy amin’ny biriky dorana no nahafaty azy. Mpitaona biriky eny an-toerana ity tovolahy hita faty ity. Efa nahitana mpifankatia namoy ny ainy tahaka izao koa tany an-toerana, tamin’ny taon-dasa.

Partager sur: