New Concept Store : Mampiasa ny niomerika ny mpanjifa

Niova endrika sy fiasa ny botika Yas. Nosantarina ny 22 septambra teo ny toerana fandraisana mpanjifa, ny “New Concept Store”, nohavaozina eny amin’ny Zoom Ankoron­drano. Tena maoderina no sady ampiasana ny teknolojia niomerika. Hita ao avokoa ireo tolotry ny Yas rehetra, toy ny fikarakarana fidirana ho mpan­jifa, ny internet, ny MVola, ireo vokatra angovo Baliaka, sns. Mampiavaka ny New Concept Store miohatra amin’ny teo aloha, afaka mitady izay filana ilainy na ny fitarainany ny mpanjifa, mahaleo tena, amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia niomerika. Na izany aza, misy ny mpiasa manoro lalana. Tsy ho lany fotoana miandry filaharana fa afaka mitady eo no ho eo izay ilainy. Ankoatra izany, afaka milaza ny heviny sy ny fahitany nandritra ny fandalovany avy hatrany tao amin’ny botika ny mpanjifa.
Nambaran’ny tale jeneralin’ny Yas, Benoit Janin, fa « taratry ny finiavanay hampivoatra ny fifandraisanay amin’ny mpanjifa ity toerana ity. Tanjona ny mba ho mahaleo tena tanteraka izy ireo ». Nosantarina eny amin’ny Zoom Ankorondrano ny New Concept Store, hitarina any amin’ireo masoivoho manerana ny Nosy ary ho tohizana hatrany Afrika, ahitana ny Yas, izany.

Njaka A.

Partager sur: