Sekoly vaovao miisa telo, samy manana efitrano fianarana roa, no naorina ao amin’ny kaominina Miary Lamatihy, distrikan’i Sakaraha. Tamin’ny alalan’ny tetikasa Contribution large à l’amélioration de la scolarisation, de la santé et de l’environnement des enfants (Classes), tanterahin’ny ASOS, tohanan’ny ONG Partage no nahavitana izany. Misy sekoly roa hafa koa efa nohavaozina tamin’ny alalan’ity tetikasa ity.
800 mahery no nahazo tombontsoa nandritra ny hetsika ho an’ny fahasalaman’ny maso, nokarakarain’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ao Vakinankaratra, niaraka tamin’ny Doctors for Madagascar (DFM) ho an’ny vahoakan’Antanifotsy. Nitohy tao amin’ny CSB Il Ambohimandroso izany, omaly.
Ho fanohanana ny talenta, hampivoarana ny fanavaozana ary hampitomboana ny fiantraikan’ny fikarohana sy ny teknolojia eo amin’ny toekarena, misokatra ny antso ho fanehoana fahalianana (Ami) 2026 ho an’ireo mpikaroka, mpamorona vahaolana, mpandraharaha, start up ary orinasa malagasy manana tetikasa vaovao. Lalana telo no azo isafidianana ka nanomboka ny 22 septambra hatramin’ny 22 oktobra ny fandefasana ny antontan-taratasy amin’izany.




