Raha hiverina eny an-doharano : ny tenin-drazana no hoenti-mampianatra

Andro vitsy lasa, nanamarika ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-drazana » i Madagasikara. Tazana hatrany ny fampirantina, vela-kevitra, seho samihafa eny an-tsehatra… Tsy ampy ny hetsika indray mandeha ao anatin’ ny taona raha hikendry ny hampivelatra sy hanome ha­sina ny teny sy ny tany (tanindrazana) ary indrindra hive­rina eny an-doharano amin’ny maha Malagasy.
« Avy amin’ny teny ny loharanom-pisiana », hoy ny mpandinika sy mpahay zava-panahy sasany. Noho izany, fototra iray tsy azo hodian-tsy hita io raha hiverina eny an-doharano. Beazina amin’ny tenin-drazany ny taranaka mba hisian’ny fifampitohi­zana eo aminy sy ny loharano nipoirany. Tenin-drazana no hoenti-mampianatra ny taranaka malagasy any an-tse­koly, any amin’ny ambara­tonga rehetra.
Ny zava-misy iainan’ny tontolon’ny fampianarana eto Madagasikara no ahafahana milaza fa tafiditra ao anatin’ ny fanjanahan-tany amin’ny endriny vaovao i Madagasi­kara. Na ny teny ampiasaina hanabeazana sy hoenti-mampianatra ny taranaka aza, tsy tenin-drazana akory.
Mila fahasahiana ny fitsipahana na fandavana io fanjanahan-tany amin’ny endriny vaovao tafatsofoka any amin’ ny fampianarana sy fanabeazana io. Goavana indrindra amin’izany ny fanapahan-kevitra politika milaza fa : « ny tenin-drazana no teny hoenti-mampianatra » !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: