TSELATRA

Roa lahy voasambotry ny polisy teny Itaosy sy 67 Ha, afakomaly. Mpangalatra ny iray tamin’izy roa lahy ireto. Nahatrarana finday halatra teny aminy. Norobainy tao anaty fiara nijanona teny 67 Ha ilay finday. Nihazona zava-mahadomelina ny iray hafa. Natao famotorana izy ireo.
Lehilahy nikasa hanolan-jaza notanan’ny mpitandro filaminana tao Tsimahavaobe, Morondava, ny 23 septambra lasa teo. Zaza 10 taona nokasain’ity lehilahy ity hampiharana ny filan-dratsiny.
Nihaza sifaka tao anaty faritra arovana, roa lahy voasambotry ny polisy tao Menabe Antimena, ny 23 septambra lasa teo. Tratra teo am-pihazana izy roa lahy. Nahasambotra gidro iray izy ireo ary efa novonoiny. Natao andrimaso nandritra ny famotorana ireo olona ireo ary natolotra ny fampanoavana.
Lehilahy nangalatra moto tao amin’ny hopitaly be Toamasina voasambotra ny fokonolona afakomaly. Niharan’ny vono sy daroka nateraky ny hatezeran’ireo nahasambotra azy ity lehilahy ity. Sarona teny aminy ny moto nangalariny. Natolotra ny manam-pahefana izy mba hatao famotorana.

Partager sur: