Nambaran’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, momba ny tsiahy ny tolona ny zoma teo, fa isaorana ny filohan’ny Fanavaozana nanome lanja izany. Nankahery ireo fianakaviana nanana ny niharam-boina ny tenany. Niaiky kosa anefa izy fa tsy ho vita vetivety ny famaliana ny fitakiana. « Maika aloha izao ny jro sy rano ary ny fandriampahalemana », hoy izy.
Nomena toromarika ireo Foktim fa ivon’ny fiarahamonina ka omena lanja ny eny ifotony. « Miainga eny ny fandraisana anjaran’ ny olom-pirenana sy hanamafisana ny firaisam-pirenena. Sofina sy maso eny amin’ny firahamonina ny Foktim. Ilaina ny fahaizana mamaha olana sy mandravona ny disadisa », hoy ny birao politika, ny sabotsy teo.
Loza mitatao ho an’ny firenena sy ireo mikarakara izany ny hanaovana fifidianana nefa tsy nisy fanovana natao, araka ny nambaran’ny Dinika ho fanavotam-pirenena (DFP), Ratolojanahary Maharavo. « Tsy azo hirotorotoana izany ary tsy tokony hatosika hofidiana ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika nefa tsy ao an-tsainy akory izany », hoy izy.
Mitaky fanadihadiana lalina sy ny marina ny nahafaty ny depiote Rabenirina Jean Jacques ny fianakaviany. « Mbola misy teboka tsy mazava amin’ny toe-javatra nitarika ny fahafatesan’ny havanay», hoy izy ireo. Tsiahivina fa maty taorian’ny lozam-pifamoivoizana teny Andoharanofotsy ity depiote ity ary efa nisy ny didim-pitsarana nivoaka momba izany.





