Tetikasa INBAR : Mitondra fampandrosoana ny fihariana Bamboo

Natao, ny zoma 25 septambra teo, teto Antananarivo, ny atrikasa mahakasika ny seha-pihariana Bamboo, na volotsangana. Nandray anjara avokoa ny mpisehatra voakasika ao anatin’ny rojom-pihariana tsy an-kanavaka. Tafidi­tra ao anatin’ny tetikasa Inbar (International Bamboo and Rattan Organization), iarahana miombon’antoka amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), ny Foibe iraisam-pirenena mahakasika ny Bamboo (ICBR) avy any India, misahana ny fanohanana ara-teknika.
Nilaza ny talen’ny Faritra arovana, ny harena voaja­nahary ary ny rohivahary (DAPRNE), ao amin’ny minisitera, Ramatoa Ratefason Tojotsara, fa mandray anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny seha-pihariana volotsangana. Mora maniry sady miaro ny sahandriaka sy ny fihotsahan’ny tany. Mame­rina ny tsiron’ny nofon-tany simba. Eo amin’ny lafiny fihariana, mampiakatra ny harinkarena faobe ity seha-pihariana ity. Miteraka asa maro any ambanivohitra sy an-tanàn-dehibe, indrindra ny tanora sy ny vehivavy.

Sehatra tsy miankina
Nandray anjara tamin’ity atrikasa ity koa ny sehatra tsy miankina, satria, tena ilaina tokoa. Noraisaina ny hevitra avy any amin’izy ireo, ny toerana sy ny lanjany eo amin’ny seha-pihariana Bamboo. Eo koa ny olana na ahiahy avy amin’izy ireo. Nisy delegasionina avy any Etiopia ao anatin’ny tetikasa Bamboo sy kofehy voajanahary, nanatrika ny fotoana, nifampizarana traikefa.

Njaka A.

Partager sur: