Nandalo fotoan-tsarotra toy ny mponina rehetra niharam-boina ny mpanao gazety ao Toamasina, taorian’ireny fandalovan’ny rivodoza Gezani ireny. Maro ireo mpanao gazety tonga marefo noho ny faharavana sy ny takaitra mavesatra nateraky ny loza. Eo an-dalam-panarenana ny fiainany toy ny olon-drehetra ihany koa izy ireo.
Izany indrindra no nahatonga ny fikambanan’ny mpanao gazety any an-toerana niezaka nifampiresaka tamina mpandraharaha sy mpiara-miombon’antoka, malala-tanana afaka hanampy azy ireo indrindra hiatrehana ny fidiran’ny mpianatra izay mavesatra ho an’ny ray aman-dreny tokoa.
Ny filohan’ny fikambanan’ny mpanao gazety AJT ao Toamasina no nitarika ny fifampidinihana tamin’ireo olona vonona mba hifanohana ho an’ireo mpanao gazety mampiana-janaka.
Vokany, namaly ny antso ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena misahana an’i Toamasina, ny lehiben’ny faritra Atsinanana ary ny seranan-tsambon’i Toamasina (Spat). Notanterahin’ny filohan’ny AJT ny alarobia teo, tetsy amin’ny CRJS ny fitsinjarana izany fitaovam-pianarana izany. Nahitana kitapo, kahie 100 sy 50 pejy, penina miloko isan- karazany. Mpanao gazety miisa 50 nisitraka fanampiana raha mitotaly 85 kosa ny ankizy mpianatra, izay zanaka mpanao gazety.
Sajo




