Intelo voatondro ho namaky ny tranon’ny mpiray vodirindrina aminy, nidoboka am-ponja ny lehilahy iray voasambotra tetsy Ampangabe – Anosipatrana, ny alarobia teo. Nipetraka tao amin’io trano nangalarany io ity lehilahy ity talohan’ny mpanofa vaovao. Tsy niova ny hidin-trano ka nanararaotra izany izy rehefa tsy nisy olona tao an-tanàna. “Nalainy ny fera fipasohana sy ny boatin-drakitra, ny 13 febroary teo”, hoy ny lasibatra. Telo andro taorian’io, nidiran’io mpangalatra io an-keriny indray ity tokantrano mifanila aminy ity. Lasany tamin’izany indray ny vola sy ny fitaovana fikarakarana volo mandeha amin’ny herinaratra. “Mbola niverina fanintelony izy saingy nisy nahatsikaritra izany”, hoy ilay voaroba. Niroso tamin’ny fitoriana teny amin’ny mpitandro filaminana ity farany. Vokany, voasambotra ny lehilahy ka natao fanadihadiana. Nandà hatramin’ny farany izy kanefa tra-tehaka teny aminy ireo entana halatra. Niakatra fampanoavana omaly ny raharaha. Andrasana ny tohiny.
Tsiferana R.