Ben’ny Tanàna Ankilimalinike: «Mila ataon’ny Base Toliara laharam-pahamehana ny tanora eo an-toerana»

Faritra voakasiky ny tetikasa Base Toliara ny kaominina Ankilimalinike sy ny fokontany Ranobe, samy ao anatin’ny distrika Toliara II. Manamafy ny fitakiana hanokafana indray ny orinasa ny mponina, satria mihalalina ny fahantrana vokatry ny tsy fisian’ny asa sy ny fampandrosoana any an-toerana.

Miray hina ny mponina any amin’ny kaominina Ankilimalinike, na eo aza ny tsy fitovian-kevitra mikasika ny tetikasa Base Toliara. Mitandro izany firaisankina izany ny ben’ny Tanàna, Mahatoro Longin, nandritra ny fifampiarahabana tratry ny taona, niaraka tamin’ny vahoaka avy any amin’ny fokontany miisa 13, ny herinandro lasa teo. Niaraka tamin’izy ireo koa ny avy any amin’ny fokontany Ranobe, anisan’ny voakasik’ity tetikasan’ny Base ity.
Tsapany ny lanjan’ny tetikasa amin’ny maha olom-boafidy azy amin’ny lafiny fa­moronan’asa. « Mila hataon’ ny Base Toliara laharam-pahamehana ny tanora eto Ankilimalinike sy Ranobe, satria miaina eo am-pototry ny harena an-kibon’ny tany izy ireo. Misy amin’izy ireo manana diplaoma sady afaka miasa tsara », hoy izy.
Efa ela no namolavolana ity tetikasa ity tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Manana ny lanjany izy matoa mbola any an-toerana ary manana fanantenana ny mponina. « Tsy hihemotra izahay ary tsy maintsy mandroso », hoy ihany ny ben’ny Tanàna. Nomarihiny fa efa nankatoa ity tetikasa ity hatrany izy na talohan’ny naha olom-boafidy azy aza. Maro ny mitovy hevitra aminy matoa izy lanin’ny maro an’isa. Mitodika any amin’ny filoham-pirenena ny tenany, satria fanoitra hitondra fampandrosoana ny Atsimo Andrefana sy ny kaominina ny Base Toliara.

Hanan-danja amin’ny fifidianana
Nangataka ny filoha Rajo­elina hirotsa-kofidina fanindroany ny ben’ny Tanàna, Mahatoro Longin. Antony, manana ny kandidàny koa ireo manohitra ny Base Toliara izay tsy hifidy ny filoham-pirenena ankehitriny. “Mila asa miforona izahay matoa mitaky ny hanokafana ity orinasa ity… Tsy misy ny asa mahatonga ny tsy fandriampahalemana hirongatra», hoy ihany izy.
Naneho hevitra koa ny mponina, nandritra ity fotoana ity.
Ramanoely Davida, mponina Ranobe : « Tsy maintsy miray hina izahay noho ny tombontsoa iombonana, nahatonga izao firaisankina asehonay izao. Mila fampandrosoana maharitra ny zanakay sy ny taranakay. Hatramin’izao, tsy misy ny indostria vaventy toy ny Base aty Toliara, ka angatahanay ny hanokafana azy ».
Fiadana Tsivita, mponina Belemboky Andohateva : « Na misy aza ny tsy fitovizam-pijery, mangataka ny filoham-pirenena izahay ny hanokafana ity orinasa ity ».
Remosa, lehiben’ny fo­kontany Andrevo Ambony: « Ekena fa misy ny tsy fitovian-kevitra, saingy manaiky ny rehetra fa hanome asa ny zanakay ity orinasa ity. Iaraha-mahita fa tsy misy ny asa, lasa manao asan-jiolahy ny tanora, na manapotika ny tontolo iainana, manao saribao. Hany vahaolana ny Base Toliara. Angatahanay ny hanohizana ny asa sosialy efa nataony, nananganana toeram-pitsaboana, fananganana siniben-drano,…, toy ny any Ranobe ».
Rtoa Soava, mponina Ranobe : « Mangataka izahay vehivavy aty Ranobe ny hiasan’ny Base Toliara indray, satria mianga any aminay ny fototry ny fihariany. Mila jeren’ny filoham-pirenena akaiky sy haingana ity raharaha ity ».

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: