Mitohy ny fitsidihana ofisialy nataon’ny delegasion’ny Antenimerandoholona, tarihin’ny filohany (PS), Razafimahefa Herimanana atsy amin’ny nosy La Réunion. Nisy ny fivoriana manan-danja nataon’izy ireo, niaraka tamin’ny filohan’ny faritra Réunion, Rtoa Huguette Bello, ny 22 febroary teo. Vontoatiny ny hisian’ny fiaraha-miasa mafonja, tsara rafitra ary maharitra eo amin’ny faritra La Réunion sy ny Antenimierandoholona Madagasikara. Tanjona ny hanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny roa tonta sy ny hisian’ny tombontsoa ho an’ny vahoaka.
Anisan’ny lohahevitra tena nodinihina ny lafiny toekarena, ny sosialy ary ny kolontsaina. Toy ny fambolena, ny fanodinana sakafo, ny indostria, ny fanabeazana, ny fizahantany, ny kolontsaina amin’ny alalan’ny frankofonia, ny tanora, ny tontolo iainana ary ny angovo azo havaozina.
Tsiahivina fa feno 360 taona amin’ity 2023 ity ny fisian’ny mponina any La Réunion, izay Malagasy ny ankamaroan’ny fiavian’izy ireo.
Njaka A.




