Fanjifana eto Madagasikara : mitombo ny fampiasana solika fandrehitra

Ny telo volana voalohany sy faharoa tamin’ny 2022, dia betsaka ny fanjifana solika manerana ny Nosy. Nitombo betsaka izany tamin’ny 2022 raha ampitahana tamin’ny 2021. Nitombo ny fanjifana solika amin’ny ankapobeny, toy ny solika fandrehitra sy ny gazoala tamin’ny taona 2022.
Izany fitombon’ny fanjifana solika izany dia noho ny fahamaroan’ny fiarakodia efa niasa ampidirina eto an-toerana. Mitombo isa ny fiarakodia mivezivezy manerana ny Nosy. Afaka manamarina iza­ny ny sampandraharaha miandraikitra ny laharan’ny fiara. Tsy mitsahatra amin’izany asa izany, , ohatra, ny mpanome laharan’ny fiarakodia eto Antananarivo. Tsy mampitsahatra ny laharan’ny fiara ny hita eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Mampiasa fama­tsian-jiro (groupes electrogènes) ny fanjakana mpanao laharan’ny fiarakodia sady ilaina amin’ny herinaratra fampiasa.
Mitombo betsaka ny fandaniana, araka ny fahitan’ny Office Malagache des Hydro­carbures (OMH), indrindra fa ny solika fandrehitra, mitombo ny fampiasan’ny olona azy handrahoana sakafo. Nitombo 26 166 m3 ny enim-bolana voalohany tamin’ny 2022 raha oharina tamin’ny 2021, izay nisy 17 638 m3.
Mora kokoa ho an’ny maro mampiasa izany ny solika fandrehitra. . Betsaka in­drindra ny karazana fiara man­deha gazoala eto Ma­dagasikara. Manatombo ha­trany ny fitambaran’ny fanjifana karazan-tsolika hatramin’ny faran’ny taona.

Ndrina

Partager sur: