Nampahanfantarina ny herinandro lasa teo ny tetikasa fanamafisana ny fiahiana ara-tsakafo sy fiatrehana ny fiovan’ ny toetr’andro any amin’ny tapany atsimon’i Madagasikara. Mpanatanteraka ny tetikasa ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam). Mamatsy izany amin’ny sorabola 9,7 milara Ar ny fanjakana japoney. Ampiasaina hanorenana fotodrafitrasa hahazoana herinaratra avy amin’ny masoandro iray vaovao manampy ny telo efa napetraka any Atsimo io tohana io, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny Pam.
Nandritra ny taona 2024, niharan’ny vokatry ny El nino, haintany, ny tapany atsimo. Nampitondra faisana ny fambolena rehetra ka nampitombo ny faharefoana ara-tsakafo teo amin’ny mponina izany. Efa nitondra fanampiana koa ny fanjakana japoney niatrehana azy io. Naorina tao amin’ny distrikan’i Betioky ny toeram-pandraisana sy fanarenana ny fanjarian-tsakafo (Farne). Miara-mitantana ny foibe ny Ofisim-paritry ny fanjarian-tsakafo (ORN) ao an-toerana, amin’ny fikarakarana ny kilonga madinika tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo. 1 292 ny zaza latsaky ny 5 taona voatily sy notsaboina. 318 tamin’ireo tratry ny tsy fanjarian-tsakafo antonony ka noraisina an-tanana tao amin’ny Farne ihany.
Vonjy





