INDRAY MIJERY

Ao anatin’ny fanamafisana ny ezaka amin’ny fisorohana sy ady amin’ny tazomoka, tonga ao amin’ny kaominina Ampasinambo ireo ballots 20 misy lay misy odimoka (MID).

Nozaraina sy naparitaka any amin’ireo fokontany rehetra ao amin’ny kaominina Ampasinambo izany mba hahafahan’ny tokantrano misitraka azy ho fiarovana amin’ny kaikitry ny moka.

Ho maina ny andro saika manerana ny Nosy, hatramin’ny rahampitso. Hiverina tsikelikely ny orana tandrifindrahona mety harahin-kotroka indraindray any amin’ny ilany atsimo atsinanana sy ny tapany atsimon’ny afovoantany, manomboka ny alarobia mankany amin’­ny faran’ny herinandro. Hiitatra miandalana ho an’ny afovoan-tany sy ny ilany andrefana izany.

Hotanterahina any Morondava, ny 5 hatramin’ ny 8 novambra izao, ny fivoriamben’ny infirmiera mpikambana ao anatin’ny Holafitra. Manentana ny mpikambana rehetra hoavy maro ny holafitra ho fanandratana avo ny asan’ny infirmiera eto Madagasikara sy ho fanehoana firaisankina.

Partager sur: