Fampandrosoana sy famoronana asa. Hohamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny Banky iraisam-pirenena, indrindra amin’ireo sehatra miantraika mivantana amin’ny fari-piainan’ny mponina sy ny fampiroboroboana ny toekarena.
Nifampidinika tamin’ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana, teny Mahazoarivo, ny Tale misahana an’i Mozambika, Madagasikara, Maorisy, Kaomoro ary Seychelles eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena, Fily Sissoko. Nivoitra tao anatin’izany ny fivoaran’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta sy ny fomba hanohanana ireo laharam-pahamehan’ny fanjakana eo amin’ny fampandrosoana ny firenena. Nisongadina ny sehatry ny rano, angovo, fambolena ary ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina. Nivoitra tao anatin’ny diniky ny roa tonta ny hetsika hanohanana ny famoronana asa hampivoarana ny toekarena.
Nambaran’ny Banky iraisam-pirenena nandritra ny fihaonana ny fahavononany hanohy sy hanohana ny ezaka fampandrosoana ataon’i Madagasikara. Tanjona ny hampifantoka kokoa ny fiaraha-miasa amin’ireo sehatra misy fiantraikany mivantana amin’ny toekarena sy ny fiainan’ny mponina. Anisan’ny fototra hanamafisana ny fitadiavana vahaolana maharitra sy mahomby amin’ireo filana laharam-pahamehana, indrindra eo amin’ny famatsiana rano sy angovo, ny famokarana ary ny fanohanana ny sehatra tsy miankina ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny Banky iraisam-pirenena.
Henintsoa





