VAOVAO TAMBATRA

Nisy tomponandraikitra ambony teo aloha nanao fanahy iniana namaha antsokosoko ny fanagiazana efa nataon’ny fanjakana (brise de scellée), araka ny tatitry ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany. Fitaovana fitrandrahana volamena, « drague suceuse » artizanaly nampiasainy teny amin’ny reniranon’Ikopa any Maevatanàna ity nogiazana nefa novahany ity. Heloka sazian’ny lalàna ny fanaovana izany, satria tsy handeferana ny gaboraraka.

Hatsaraina ato anatin’ny fotoana fohy ny toby fiantsonana eny Ampasampito. Satria, tokony halalaka tanteraka ny toerana raha vita ny fanavaozana. Manomboka mihetry ny rindrim-bato fiarovana (mur de soutienement), ka atahorana hitera-doza amin’ireo trano manodidina. Maro ireo tranoheva mipetra-potsiny tsy voakojakoja sady feno loto. Miara-miasa amin’ny fanatanterahana ny asa ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA).

Manara-maso ny fitantanana ny Tahirimbola ho an’ny fiahiana ara-tsosialy ny minisiteran’ny Toekarena (MEF). Ao anatin’izany ny fiantohana ny fanaraha-maso ny fitantanana ara-bola sy ny tahirin’ny Cnaps. « Volam-bahoaka no tantanin’ny Cnaps, satria avy amin’ny latsakemboky ny mpiasa sy ny mpampiasa, koa ho ahari-maso ny fitantanana azy mba hisian’ny mangarahara sy ny fifampitokisana », hoy ny talen’ny kabinetran’ny MEF, omaly.

Partager sur: