Mahatratra 3 019 ireo tanora nisitraka fiofanana maimaimpoana tao amin’ny Orange Digital Center Madagascar hatramin’ny fiandohan’ny taona. Anisan’ireo faritra nanaovana izany ny teto Antananarivo, Fianarantsoa ary Antsiranana izay nifantoka tamin’ny fahaiza-manao niomerika, ny sehatrasa ary ny fandraharahana. Ny tontolon’ny niomerika toy ny fanaovana tranonkala, fanadihadiana angondrakitra, faharanitan-tsaina artifisialy (IA), « marketing numerique, cybersécurité, no-code » ary ny sehatry ny fandraharahana no anisan’ireo sehatra nampiofanana ny tanora. Maherin’ny 100 ny fiofanana natao teto Antananarivo, ary manodidina ny 20 kosa tany Fianarantsoa sy Antsiranana. Tafiditra amin’ireo mpisitraka ny tanora mitady asa, ireo tsy afaka nanohy fianarana noho ny antony ara-bola ary ireo mikasa hanangana na hampivelatra orinasa. Ankoatra ny fiofanana, nahazo tombony amin’ny fahazoam-baovao momba ny asa, ny fizaran’asa ary fifaninanana eto an-toerana sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary ireo mpiara-miombon’antoka samihafa ireo mpiofana. Anisan’ny fiofanana nisongadina tamin’ny volana septambra ny « Bidouille informatique », izay nahafahan’ny tanora 35 nampihatra avy hatrany ny fahaiza-manaony. Namboarin’izy ireo nandritra ny dimy andro ireo solosaina amam-polony. Tanjona ny hanomezana ireo tanora fahaiza-manao hampiroboroboana ny talentany hananganany ho avy mamiratra eo amin’ny tontolon’ny asa sy ny fandraharahana.
Henintsoa





