Hanomboka anio, haharitra roa andro, ny zaikabem-pirenen’ny tanora ho an’ny fahitsiana. Andraisan’ny tanora manerana ny Nosy anjara izany, izay hotanterahina eny amin’ny oniversiten’Antananarivo.
Ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI), tohanan’ny fikambanan’ny Firenena miteny sy mampiasa ny teny frantsay (OIF) ary ny Konfederasionina soisy no mikarakara ny hetsika. Ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa «Ady amin’ny kolikoly amin’ ny alalan’ny fanabeazana sy ny tanora » ny hetsika. Kendrena amin’izany ny hanasongadinan’ ireo tanora ny fahaiza-mamorona ananany sy ny hirotsahany an-tsehatra amin’ny fampiroboroboana ny kolontsain’ny fahitsiana, ny mangarahara ary ny andraikitra maha olom-pirenena, raha ny fanazavana.
Tanora avy amin’ny faritra samihafa manerana an’i Madagasikara no hanao fifanakalozan-kevitra, fandinihana, fifampizarana traikefa ary fandraisana andraikitra ho fampiroboroboana misimisy kokoa hatrany ny fahitsiana. Roa andro hihainoana, hametrahana fanontaniana, hifampizarana, hanolorana sosokevitra ary hampandrenesana ny feon’izy ireo manoloana ny fanamby momba ny fahitsiana eto Madagasikara.
Mpandaha-teny avy amin’ny sehatra samihafa hiara-hifanakalo sy hisaintsaina ary hanorina hoavy feno fahitsiana. Anisan’ireo ny sekretera mpanatanteraky ny CSI (komity miaro ny fahitsiana), Razafimandimby Tsiry, ny mpanakanto Randriamasinoro Herinaivo (Gothlieb)…
Nanomana fanamafisana ny fahaiza-manao sy lahadinika ny mpikarakara. Handray anjara amin’ny asam-bondrona sy famolavolana tolo-kevitra ireo tanora. Hiaraka hanoratra “manifeste” momba ny fandraisana andraikitra maha olom-pirenena.
Ho an’ireo tanora 18 ka hatramin’ny 35 taona voafantina avy any amin’ny faritra, iantohana ny fitaterana, ny fonenana ary ny sakafo mandritra ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny zaikabe.
Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo ny fampitana am-bavamahakasika ny fananganana ny “Haut commissariat de la jeunesse en charge de l’engagement citoyen et de la lute contre la corruption” eo anivon’ny Fiadidiana ny fanavaozana ny Repoblika ahitana ireo tanora. Hifototra amin’ny fampandraisana anjara ny olom-pirenena amin’ny ady atao amin’ny kolikoly izany.
Vonjy





