Toamasina: Mahatratra 64% ny fahavitan’ny Campus Universitaire

Tonga nitsidika ny Cam­pus an’ny oniversiten’i Bari­kadimy, ao Toamasina, ny de­legasionin’ny Banky iraisam- pirenena, ny faran’ny volana septambra teo. Notarihan’i Fily Sissouko, talen’ny diviziona misahana an’i Mozambika, Madagasikara, Maorisy, Kaomoro ary Seychelles. Ny filohan’ny oniversiten’i Toama­sina, Diny Razanakolona, kosa no nitarika ny delegasionin’ny olom-panjakana teto Toamasina.
Miisa 123 ireo fotodrafitrasa nopotehin’ny rivodoza Geza­ni. Efa vita avokoa ny 79 raha mbola anatin’ny fanohizana sy famaranana ny 44. Vita ary nasiam-panamboarana avokoa ny lalana ifamezivezena anatin’ny campus, natao beton sy pavé. Ireo zava-bita ireo no handrefesana ny 64% ny fahavitan’ny fanarenana.
Nanambara ny solontenan’ny Banky iraisam-pirenena fa tsy hijanona eo ny asa fa hitohy amin’ny fanohanana ny fampianarana sy fampiofanana mba hifanaraka amin’ny filan’ny faritra ka tsy hanahirana amin’ny fitadiavana asa. Mba ho oniversiten’i Toama­si­na maoderina maha te honina.

Sajo

Partager sur: