Fiompiana: Dinika hanavaozana ny famatsiam-bola

Nodinihina manokana ny paikady hanavaozana ny famatsiam-bola miompana amin’ny sehatry ny fiompiana, ny 1 oktobra teo, teto Antananarivo. Tanjona ny hanafainganana ny fanodinana ny vokatra avy amin’ny fiompiana eto Mada­gasikara. Lohahevitra napetraka ny hoe: « Fiompiana maoderina, fidiram-bola maharitra ho an’ny mpiompy, loharanon-karena ho an’ny firenena ». Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fiompiana, tohanan’ny rafitra International Livestock Research Institute (ILRI) izy io. Notsipihin’ny minisitry ny Fiompiana, ny Dr Randrianomenjanahary Riana Nantenaina, fa « seha-pihariana manan-danja ny fiompiana, hampandrosoana ny eny ambanivohitra sy fiatrehana ny krizy ara-toekarena ho an’ny mponina. Tsy maintsy hamafisina ny fiaraha-miasa hanatsarana ny famokarana sy hanomezan-danja ny otrikarena isan-tsokajiny eny ifotony ».

Fanoitran’ny fampandrosoana
Tanjona amin’ity loabary an-dasy ity ny ho fanoitran’ny fampandrosoana ara-toekarena eny ambanivohitra ny fanodinana ny vokatra ara-piompiana. Ho fanatanterahana ihany koa ny Drafitrasa hitantanana ny sehatry ny fiompiana eto Madagasikara (PDSEM) sy ny tondrozotra ho an’ny fampiasam-bola 2026-2030.

Njaka A.

Partager sur: