Nivoaka ny tatitra ofisialy mahakasika ny vinavina ny famantarana ny toetr’andro eto Madagasikara ho an’ny vanim-potoana 2026-2027. Miseho eto Madagasikara ny tranga voajanahary El Nino, miseho isaky ny roa hatramin’ ny fito taon aizy io. Miha mafana ny ranomasimbe Pasifika ka hampikorontana ny toetr’andro maneran-tany. Araka ny vinavinan’ny sampandraharahan’ny famantarana ny toetr’andro, hiovaova arakaraka ny faritra ny habetsahan’ny rotsakorana. Mety ho latsaka noho ny tokony ho izy any andrefana sy atsimon’ny Nosy. Tombanana ho mafy kokoa ny hafanana amin’ity taona 2026-2027 ity.
Vinavinaina ho ambony noho ny tokony ho izy ny maripana raha ambany noho ny tokony ho izy ny rivodoza. Mety tsy hisy na ho telo ny rivodoza hahakasika an’i Madagasikara, saingy heverina fa hahery vaika.
Ho an’ny volana oktobra sy novambra 2026, tombanana hanakaiky na hanatombo ny tokony ho izy ny rotsakorana any avaratra sy atsinanana. Mety ho maina kokoa ny any andrefana sy atsimon’ny Nosy. Ny volana desambra hatramin’ny febroary 2027, mety ho mando kokoa any Atsinanana, raha ho maina any andrefana sy atsimo. Anisan’ny vahaolana hiatrehana ny maintany ny fandatsahana orana rehefa feno ny fepetra amin’ny tangoron-drahona, izay efa atao, ankehitriny. Hatao tsy ho ela ny fifampidinihana amin’ireo sehatra mampiasa ny vinavinan’ny toetr’andro, toy ny fambolena sy fiompiana, ny fahasalamana, ny angovo, ny rano, ny jono, sns.
Njaka A.





