Fandaharana sy fanehoana zavakanto maroloko, fampirantiana taozavatra sy asatanana, hainahandro, seho sehatra… Hanana ny mampiavaka azy ny « Fos’Art Festival 2026 ». Iray amin’ireny ny fisongadinan’ny firaisankina.
Hetsika iray hampihaonana zavakanto marolafy. Tsy izay ihany fa hanehoana firaisankina sy fihavanana ho fifanampiana amin’ny mpiray monina koa ny « Fos’Art Festival ». Hotontosaina ny sabotsy 10 oktobra izao ny andiany voalohany amin’ity hetsika ity, eny amin’ny Golf Galaxy Birdy Andraharo. Hifangaroharo ao ny fampirantiana taozavatra sy asatanana, hainahandro, seho sehatra, sns. Ireny rehetra ireny ho fanohanana ny asan’ny ONG MealEspoirs, araka ny fampahafantarana nataon’ireo mpikarakara, omaly. Mandray an-tanana ny fikarakarana ankizy avy amina fianakaviana sahirana miisa 800 ny fikambanana, eny Anosibe.
Olona maherin’ny 5 000 no vinavinaina handray anjara amin’ny hetsika. Hisy sehatra kely ifandimbiasan’ireo mpanakanto vao misondrotra. Hanehoan-dry Shyn, Denise Ary Bolo ny talentany kosa ny sehatra goavana, ny tolakandro. Hivadika ho toeram-pandihizana goavana ny toerana ny alina, hafanaina mpikosoka kapila am-polony, izay samy manana ny manavanana azy, ary mandra-maraina izany.
Hasongadina mandritra ny hetsika koa ilay « collector » Beaufort, misy ny sanganasan’i Nombantsitoha Sarobidy, nahazo ny loka tamin’ny fifaninanana « Ma Beaufort Challenge ». Porofon’ny fanohanan’ny Beaufort ny talenta sy ny famoronana io.
Zo ny Aina





