INDRAY MIJERY

Mikarakara fihaonambe nasionaly voalohany momba ny asa an-tsoroka, ny 6 hatramin’ny 8 oktobra ho avy izao izao ny BNGRC. Hiarahana amin’ny Pam/WFP sy ireo mpiara-miombon’antoka ao amin’ny Vondrona teknika momba ny asa an-tsoroka (GTAA) izay hampivondrona ireo mpisehatra nasionaly sy iraisam-pirenena izany. Tanjona ny hamolavola sori-dalana nasionaly momba ny asa an-tsoroka 2026–2030, ho fanamafisana ny fahavononana sy ny fahaiza-miatrika ny loza.

Ao anatin’ny ezaka iraisam-pirenena, mihoatra ny 715 tapitrisa dolara ny fanoloran-tena vaovao nambaran’ireo governemanta sy ireo mpiara-miombon’ antoka mpamatsy vola ho an’ny fotodrafitrasa, tolotra ary vokatra ara-pahasalamana ilaina. Indrindra ho an’ ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana sy ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza. Ho an’ny taona 2026-2027, 20 tapitrisa dolara no efa nahetsika ho an’ny vokatra ilaina amin’ny fahasalamana ara-pananahana. Mana­mafy ny fahavononany i Madagasikara hanohy ny fampivondronana ny loharanom-bolam-pirenena sy iraisam-pirenena.

Nanomboka tamin’ty herinandro ity ny fanadihadiana ankapobeny momba ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Voakasika avokoa ireo mpisehatra manodidina izany ary nisy ny fidinana ifotony eny anivon’ireo oniversite sy ivontoeram-pikarohana mba hahafahana mandinika akaiky ny zava-misy, ny olana ary ny filana eny ifotony.

Partager sur: