Tolotra vaovao omen’ny MVola ny mpanjifa ny fividianan-javatra tsy misy sarany amin’ny MVola. Hafohezina koa ny fotoana hikarakarana ny mpanjifa manana olana.
Voatendry ho tale jeneraly (CEO) vaovao ny MVola i Alexandre Castel. Maromaro ny zava-baovao omen’ny orinasa tarihiny, hanatsarana ny tolotra omena ny mpanjifa. Tsy andoavana sarany intsony ny fandoavam-bola amin’ny alalan’ny MVola eny amin’ireo mpivarotra, tolotra antsoina hoe « Paimaka », tranombarotra, sns. Tanjona ny hanamorana ny fikirakiran’ny mpanjifa ny fandoavam-bola amin’ny alalan’ny finday. Raisin’ny mpivarotra mifanaraka amin’ny MVola ny sarany. Maherin’ny 50 000, ankehitriny, ny mpivarotra azo andoavana amin’ny alalan’ny MVola, raha maherin’ny 60 000 ny Cash-point. Manodidina ny 4 tapitrisa ny mpanjifa manana kaonty aminy. Nilaza ny CEO, Alexandre Castel, fa « zava-dehibe aminay, ankehitriny, ny andavanandron’ny Malagasy. Ataonay laharam-pahamehana ny fanomezana tolotra tsotra, hialana amin’ireo sakana amin’ny fandoavam-bola amin’ny finday. Sady tsy mitsahatra ny mihaino ny feon’izy ireo foana izahay ».
Anisan’ny tolotra omena ny mpanjifa koa ny fitaovam-pifandraisana « application MVola » amin’ny endriny vaovao. Mora ampiasaina sady haingam-piasa kokoa, mifanandrify amin’ny filàn’ny mpampiasa azy.
Hafohezina ny fotoana fikarakarana
Natsangana ny sampana Fitantanana ny mpanjifa (Directon service client), mitantana, mandrindra, manangona ny tranga samihafa mpahazo sy itarainan’ny mpanjifa. Tanjona ny hampihenana ny fotoana hamahana ny olan’ny mpanjifa. Izay no anisan’ny antony hanatsarana ny kalitao sy hanamafisana ny fitaovam-pifandraisana mba hanamorana ny fikirakirana sy ny fisitrahan’ny mpanjifa ny tolotra. Tsiahivina fa manana mari-pahalalana Certification iraisam-pirenena roa dia ny B Corp sy ny Top Employer ity orinasa ity.
Njaka Andriantefiarinesy





