Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny Fahefam-pirenena misahana ny fepetra fanitsiana ara-barotra na “Autorité nationale chargée des mesures correctives commerciales” (ANMCC) momba ny fiakaran’ny fanafarana vary eto Madagasikara. Tanjona ny hamantatra ny fiantraikan’izany amin’ny sehatry ny famokarana, ny tsena, ary ny famatsiana eto an-toerana. Ny taona 2025, nahatratra 800 812 taonina (t) ny vary nafaran’i Madagasikara raha toa ka 262 002 t izany ny taona 2024. Izany hoe, nitombo hatrany amin’ny 205,7% izany tao anatin’ny herintaona. Nisokatra nanomboka ny 31 aogositra teo ny fanadihadiana natao. Tao anatin’izay, nihaona tamin’ireo mpisehatra samihafa eo amin’io lalam-pihariana io eto amin’ny faritra Analamanga, Bongolava, Alaotra-Mangoro ary Menabe ny ekipan’ny ANMCC. Hitohy any Boeny sy Sofia ny angon-kevitra mialoha ny hanohizana izany any amin’ireo faritra hafa mpamoka-bary. Ankilany, nivoitra tao anatin’ny fanadihadiana nataon’ny Instat fa natao sakafo avokoa ny 60,3% ny voka-barin’ireo mpamboly eto amintsika raha toa ka 33,7% monja no namidy. Nasongadina fa mampidi-bola hatrany amin’ny 57,1% ny tokantrano kosa ny voly vary. Manoloana ny zava-nisy, nitondra vahaolana sy nividy ireo vary akotry an’ireo mpamboly amina faritra samihafa ny State Procurement of Madagascar (SPM). Hamaritra ny mety hametrahana fepetra fiarovana ara-barotra ny vokatra eto an-toerana kosa ny fanadihadiana sy ny angon-kevitra hataon’ny ANMCC.
Henintsoa





