Voaporofo fa manana ny kanto mitoetra i Njakatiana. Mbola eo hatrany ireo mpitia ny sanganasany… Nampanantena seho goavana ho sahaza ny olon-drehetra ity mpanakanto ity, omaly, nandritra ny « Antsika mianakavy jiaby » teny amin’ny Coliseum Antsonjombe.
«Ny tarika Njakatiana te haneho zavatra goavana amina sehatra goavana ka io Coliseum io no lehibe indrindra, hatreto. Hamaliana ireo mpankafy tsy dia havanana mijery seho anaty efitrano na kianja mitafo, ka manontany foana hoe rahoviana ny seho ankalamanjana lehibe? », hoy i Njakatiana. Tontosa, omaly, teny amin’ny Coliseum Antsonjombe, tokoa ilay fampisehoana an-tsehatra « Antsika mianakavy jiaby » niarahana taminy. « … Hanolotra fampisehoana goavana be izahay. Hiara-dalana amin’izany ny maha matihanina. Tanjona ny hanolotra fampisehoana ho an’ny rehetra: fianakaviana, mpinamana… », hoy hatrany i Njakatiana andro vitsy nialohan’ny seho.
Tazana sy heno teny an-toerana. Nentiny teny an-tsehatra ireo hira nangatahana sy nalahatry ny mpitia ny sanganasany. Saika ireo nanamarika ny fiainana sy fahatsiarovana teo amin’ny tontolon’ny fitiavana ny ankamaroany. Fitiavan’olon-droa, fitiavan-tanindrazana, fitiavana an’ Andriamanitra, fitiava-namana, sns. Tsy nahenoana fanovana fa nezahina notazonina ny fandrindrana, hany ka nifamatotra akaiky hatrany ny mpijery sy ny teny an-tsehatra. Voatazona ihany koa ny maha seho goavana ny « Antsika mianakavy jiaby ». Ankoatra ireo mpandihin’ny tarika Njakatiana, tazana teny an-toerana koa ry zareo avy ao amin’ny SMK. Nohatevenina ny mpanao feo lafika sy ny fitsofana mozika…
Tamin’ny ankapobeny, raha ny tolotra nomen’ny tarika, nahatanteraka ny nambarany: « ny mpijery no andrianina » i Njakatiana sy ireo niara-nifarimbona taminy, tamin’ny fandavorariana ny seho.
Anisan’ny tsikaritra nandritra ity fampisehoana ity ny fitiavan’ny mpijery ireo hira voaforon’i Njakatiana tany aloha. Maro ireo tranga nitambolona teo amin’ny tsirairay.
HaRy Razafindrakoto





