Nivaly ny fangatahan’ny vahoaka tao Miarinarivo. Vita soamantsara ny fanajariana ny vakoka Ampasamanantogotra tany an-toerana, ka notokanana ny sabotsy lasa teo. Tsiahivina fa tamin’ny 10 jolay 2026 no nidina ifotony ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ary tamin’izany no nanaovan’ny vahoaka ao Miarinarivo ny fangatahana hanajariana ny vakoka Ampasamanantogotra.
Mirakitra tantara miavaka nanomboka ny taona nanorenana azy, ny 1985, ity toerana ity ka antony nahatonga ny fanjakana hanasokajy azy ho vakoka malagasy. Ankoatra izany, nahazo fanamiana sy fitaovana avy amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ihany koa ny tarika mpanao vakodrazana sy zavakanto nentim-pahazarana ao an-toerana rehefa nangataka fampitaovana.
Tomponandraikitra maro avy eo anivon’ny minisitera no tonga nanome voninahitra ny lanonana, ka isan’izany ny Talem-paritry ny Serasera sy ny kolontsaina ao Itasy. Ny Talen’ny kabinetra niaraka tamin’ny Tale jeneralin’ny Kolontsaina kosa no nisolo tena ny minisitra. Tsiahivina fa anisan’ny notokanana ny faran’ny herinandro teo ihany koa ny tranoben’ny Tosik’Art ao Itasy ary nahazo mari-pankasitrahana ny tarika Rabe Jean Itasy.
Mi. Raz





